FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Skype : thierotsy -- Facebook : Thierry Sylvain -- Yahoo Messenger/mail : thierotsy@yahoo.fr
   
 
  FANDRAISANA
 

Miarahaba tompoko !

Fifaliana lehibe ho ahy ny mizara aminao ireto Ohabolana malagasy vitsivitsy ireto.

Pitik'afo ihany ny 
Ohabolana sy oha-pitenenana izay atolotra anao eto ary tsy ho lany ny ohabolana malagasy raha mbola tany koa ny tany.

Efa eo am-panomanana ny fampianarana kabary malagasy ihany koa izahay izao ho fanomezana fahafaham-po anao mpitsidika ity tranonkala ity, izany dia noho ny fangatahan'ny maro amintsika ihany. 
Eto ary dia manentana anao manana na mahafantatra ohabolana hafa tsy voasoratra eto amin'ity tranonkala ity, mba hanoratra izany ao amin'ny tosa-kevitra hanandratantsika ny kanto ao amin'ny teny malagasy. Raisina an-tanan-droa ihany koa ny soso-kevitra fanatsarana rehetra avy amintsika tsirairay.
 
Misaotra anao nitsidika

Mirary soa ho anao !

=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.

 
Thierotsy



RAKIBOLANA MALAGASY



(Marihana fa mbola eo an-dalam-panatsarana ity tranonkala ity)

SARY SY FEO : 

Misy ohabolana maromaro ato anatin'ity hiragasin-dRamilisaona Fenoarivo Mpivaro-kena sy Mpivaro-damba ity, anjaranao ny mitsimpona azy ato! Mahazoa fahafinaretana!
 

 
 
 
Misy ohabolana vitsivitsy azo raisina ihany koa ato anatin'ity hiran'i Clo mahajanga - Fialonana ity! Mahazoa fahafinaretana!
 

 




Les derniers commentaires sur cette page:
Commentaire de Rasolofonjatovo, 13.12.2011 13:23:01:
tsara sady mahaliana nefa natao ho an'ny olona afaka mijery internet ihany fa mba ahoana kosa ireo mpianatra any amin'ny toerana tsy afaka manao izany? misy ahitsy kely koa: fary lava vany fa tsy lava vangy. mankasitraka e

Commentaire de Malala, 17.11.2011 08:39:21:
Mahafinaritra e!

Commentaire de Andriamangasolo Willy Brice, 18.10.2011 12:19:18:
Arahaba tompoko ny "site" otrin'izao dia manampy anay mpianatra hafantatra zatra be dia be ka mety ts ho lany tatarainy eto daholo.Isaorana be dia be nareo

Commentaire de Tokiniaina Rakotomanana, 10.09.2011 14:29:41:
Mankasitraka e!

Commentaire de Timon, 04.08.2011 09:55:21:
Arahaba tompoko, Mankasitraka indrindra amin' ny fandavan-tena, manolotra zava-tsoa tsy mena-mitaha toy itony, tongava amin' ny tanjona irina e, hahatontosa ny vina kinasa anie.

Commentaire de Tianjara, 13.07.2011 17:23:38:
Miarahaba amim-panajana Tompoko! Tsara be ilay finiavana hizara @ malagasy havana, ary mba saika hanontany hoe manana ireny oha-pitenenana @fiteny tanindrana ireny ve ianao?

Commentaire de Monjy minomahasetra, 29.03.2011 07:12:44:
Mafinaritra sady mahalina ny zavatra toy itony ary mendrika ny ho asandratra lalandava ny teny malagasy.

Commentaire de Rinja Fanomezana, 17.03.2011 15:12:01:
Tsara fa tohizo Ataovy izay ahabevoa ny teny Malagasy. Ezaka tena mendri-piderana ny vinareo!

Commentaire de Ralijaona Nyaina rrnyaina@yahoo.fr, 28.02.2011 07:37:18:
Manan-karena teny isika malagasy.Tohizo fa tena tsara ireo lova navelan'ny ireo Ray aman-drenitsika. Mirary koa raha mirary ny mba ho lovain'ny taranaka fara-mandimby ny zava-tsoa tsy lany amamiana amin'ny maha gasy antsika.Mirary soa mandrakariva ihany koa ho anao mpanoratra. Tohizo r'se fa tsara a!

Commentaire de EZRA.S, 03.01.2011 13:18:22:
Trandraho fa manankarena ny tenintsika Malagasy, misaotra.



Ajouter un commentaire à cette page:
Ton nom:
Ton message:
Ny ora eto amintsika
 
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
Hitady Tranonkala
 
Gasikara.net ~ Moteur de Recherche
Moteur
de Recherche Spécial
Madagascar !
Tranonkala malagasy hafa...
 

Mbola azonao tsidihana...
Kerobima Ankatso
FLM Ankatso
FJKM Ambohipo
Baiboly Malagasy
Serasera Malagasy
Sehatry ny ankizy
Haisoratra Malagasy
Rakibolana Malagasy
Ny Kabary Malagasy (Vondrona Lova)
Ireo takelaka Malagasy
Tafatafa Malagasy
Anarana Malagasy




HIRA SY KALO TENA MALAGASY HIALANAO VOLY
 
Déjà 86155 Visiteurs (254552 Hits) aujourd'hui
Powered by