FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  ANKIZY, TANORA
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.

 Isaorana manokana ny mpanome ireto ohabolana ireto dia i Feno sy Andy ao amin'ny Sehatry ny ankizy

1.       Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara"
2.       Manaram-po zaza ka misoron’afo volofotsy.
3.       Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina.
4.       Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina.
5.       Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy
6.       Manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo.
7.       Aza manarampo hoatry ny kary an’efitra.
8.       Zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
9.       Ankizy nilaozan-tsakaiza, milalao vovoka irery
10.   Ny zanaka toy ny tanan'akanjo, atsipy ao andamosina, asavily ao andamosina ihany.
11.   Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vorodamba rehefa antitra.
12.   Toy ny voatavo tsy mifandraka fa zazabodo.
13.   Toy ny fanahin-jaza manjazana.
14.   Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova.
15.   Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
16.   Toy ny tovolahy mahita fotsimbary ka arotsahy arotsahy ihany.
17.   Tovolahy tsy mahalala ho an’ny tena, sakafon’ny alika gaigy
18.   Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita.
19.   Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza.
20.   Ny ankizy no manao tsingeringerina ka ny lehibe no fanina
21.   Valalanamboa : tanora mitsipaka, antitra mitsipika
22.   Sandry be tsy hery, fahatanorana tsy ody faty.
23.   Tanora be sondrotr’aina, ka ho faty alohan’ny marary.
24.   Aza manao tovolahy tia loka : ny andro iainana mbola ho lava, fa ny tovon-karena ho lany.
25.   Ny tanora vao mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
26.   Tsy avelan’ny ela tsy ho antitra.
27.   Lehibe vao miana-poto-tsarika ka sahirana.
28.   Ny sola malahelo tsy mba rangahy.
29.   Aza mitaitay ho sola, fa vato no lolohavina.
30.   Iri-mahory toy ny volo fotsy(ho tratra antitra).
31.   Mandroaroa toy ny mason’antitra.
32.   Ela nanidinana andriam-balala, ka tapaka ny elany.
33.   Toy ny fanoto, antitra vao mihakely.
34.   Tahaka ny antitra mitomany, maika loza fa miketrona manaratsy tena.
35.   Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia.
36.   Sifotra antitra aho ka tsy maha-reny vorona anao.
37.   Toy ny vero, tsara faniry fa ratsy antitra.
38.   Tsy misy hianteherana toy ny bozaka : tanora sakafon’ny omby ; antitra sakafom-patana.
39.   Ny ony miteraka mamba, ny rano mitera ka ny ony.
40.   Za-drano toa amalon’antitra.
41.   Rangahibe tsy tia harahara, ary rafotsibe tsy tia vodi-tenona ka misaraha trano fandrao misy very.
42.   Rangahibe no tratra andro, rafotsibe no manadala azy.
43.   Sahala amin’ny sahona, mipetraka toa lahy an titra mitsambikina toa tovolahy
44.   Ny tanora valaka tsy mahaleo ny antitr’Imamo
45.   Lahy antitra manao lelik’asa ka mosellan hafetseny.
46.   Rangahy mianala, fanoto no zaka; ka maty antoka ny vatsiny
47.   Aza manao toto vomangan-drangahibe, ka ny malemy ihany no velezina.
48.   Aza manao lahy antitra mahazo lamokan’atody , ka tsy mitodi-jafikely intsony.
49.   Vavianti-doza, tsy mamindrafo ny lasa
50.   « laza loatra » hoy Randranobe notsidihim-bositra
51.   Rafotsibe miandry ombilahy, ka manaraka ambokony.
52.   Rafotsibe nita rano, ka « izay hahasoa ataovin’Andriamanitra na ho rendrika na ho tafita ».
53.   Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te-hierika vodi-kofafa.
54.   Rafotsibe leomboanjo ka tain’ondry avy no andosirany
55.   Rafotsibe manenji-janantsitsina: « izaho ety izy ery"
56.   Ny ray no mihosom-potaka ka ny zanany no vazina
57.   Maromaroa ny fiteraka fa tsy ilaozan'izay hilaozan'izay ho tsara


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 375668 visiteurs (997760 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement