FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  TENY
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1.       Ny vava no tsy ato be, ny mamerina azy no tsy laitra
2.       Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
3.       Aza mindran-tsofina samy akaiky
4.       Manan-joky afaka olan-teny , mana-jandry afaka olan'entana .
5.       Teny diso tsy mba kabary.
6.       Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
7.       Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
8.       Ny tsongo tsy hita fery no tsy toha
9.       Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona
10.   Tony aretin'omby ny teny, ka izay mirehodrehoka no hifindrany
11.   Ny teny toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina
12.   Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
13.   Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
14.   Ny teny tsara mahamora harena
15.   Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
16.   Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
17.   Raha lava ny ahitra very ny kisoa, ary raha lava ny alahatra very ny soa.
18.   Mivoravora ny voadidin'ny antsy noho ny voadidin'ny vava
19.   Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany.
20.   Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda, ka hatreo no miakatra ihany.
21.   Tsy misy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
22.   Ny teny toy ny atody ka raha foy dia manana elatra
23.   Aza manao teny tsy loa-body
24.   very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
25.   ny teny tsy mazava tsy hita fototra
26.   Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
27.   ...nefa raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario
28.   Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny hafa toa nompolesina.
29.   Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
30.   teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
31.   Ny teny malefaka mahamora harena
32.   Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
33.   Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
34.   Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa
35.   Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
36.   Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
37.   Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
38.   Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
39.   Tanana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
40.   Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
41.   Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
42.   Tsy misy melo-batana, fa izay melo-bava no meloka
43.   Teny tsy azo mampihazohazo
44.   Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
45.   Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
46.   Ny teny malemy mahamora harena
47.   Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
48.   Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
49.   Ny teny imaso tsy mba kilema
50.   Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
51.   mitompo teny fatratra toy ny antsikely be zarana
52.   Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
53.   Ny tenin'ny mpisampina tsy inoan'ny mpisikina; ny tenin'ny mpijery tsy inoan'ny mpanao; ary ny tenin'ny kamo tsy inoan'ny mazoto.
54.   Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
55.   Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
56.   Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava vany ka na lava aza tsy lany hamamiana.


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 377064 visiteurs (999733 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement