FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  FIAINANA
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1.           Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
2.           Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
3.           Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
4.           Mandia tany isika, miloloha lanitra, mandiniha rehefa miteny, mijere vao mamindra.
5.           Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
6.           Mamono biby an-davaka ka hifoteran'ny rambony
7.           Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha
8.           Ny hazo avo halan'ny rivotra.
9.           Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
10.        Solafaka omen-tehina,potraka omen-kiraro
11.        Solafa omen-tehina,potraka omen-kiraro
12.        Toy ny mamoaka omby tokana,vao mitehin-doha dia tapitra.
13.        Ny hana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy,raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina
14.        Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
15.        Aza atao tsy tiako bika ,tsy tiako tarehy.
16.        Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
17.        Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
18.        Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo,izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
19.        Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay,tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
20.        Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
21.        Ny zavona no manamaizina ny mazava.
22.        Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
23.        Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
24.        raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba hahita
25.        Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
26.        Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
27.        Ny soa atao hilevenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
28.        Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
29.        aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
30.        Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
31.        Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
32.        Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
33.        "ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo"
34.        Aza miandry ny ho faly vao hitsiky fa mitsikia mba ho faly
35.        toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
36.        "hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
37.        Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao , ratsy izy ao
38.        Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
39.        Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
40.        Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
41.        Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
42.        Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha
43.        Aza be siasia toy ny amalona andrano.
44.        Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
45.        Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
46.        Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
47.        Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
48.        Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
49.        Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
50.        Ilatsahan'ny varatra am-pangerena, sady maty no mihoson-tay
51.        Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
52.        Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
53.        Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
54.        Ny halavoana tsy maha lehibe
55.        Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
56.        Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
57.        Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
58.        aza manao solafaka andro mitsidika
59.        Ny zavona no manamaizina ny mazava.
60.        Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
61.        Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
62.        raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba hahita
63.        Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
64.        Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
65.        Ny soa atao hilevenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
66.        Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
67.        aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
68.        Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
69.        Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
70.        Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
71.        "ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo"
72.        Aza miandry ny ho faly vao hitsiky fa mitsikia mba ho faly
73.        toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
74.        "hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
75.        Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao , ratsy izy ao
76.        Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
77.        Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
78.        Ny hazo avo halan'ny rivotra,kakazo mirona tsy lavon-drivotra.
79.        Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka.
80.        Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
81.        Izy mihevitra hiasa tsara dia tsy maitsy mandrangitra ny fitaovany .
82.        Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona.
83.        Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa,ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
84.        Aleo enjein'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
85.        Aza setroky ny afo aroson'ny hafa ihany
86.        Maso mahita tsy mitondra mody
87.        Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
88.        Asesiky ny fitia sy ny hanina azy,ka tsy mahalala masoandro ho faty
89.        Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
90.        Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
91.        Monina ambanin'ny riaka fa tsy lena
92.        Voalavo no velona,akaiky ny lavany.
93.        Fidio izay asa tena tianao ary dia tsy hanampy andro iray hiasana amin'ny fiainanao intsony ianao
94.        Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
95.        Ny tena fahafinaretan'ny saina dia ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vitanao .
96.        Ny fahazoam-bola noho hiankinan'ny olona noho ny ohatrinona no fidiram-bolako.
97.        Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
98.        Izay sahy maty ihany no mifono lamba mena.
99.        Rafotsy be kendam-bomanga, kenad ny nasesiky ny tananany
100.    Ny hazo no vanin-kolakana ,ny tany naniriana no tsara
101.    Velona iray trano ,maty iray fasana toy ny olombelona
102.    Mimonomonona hoatra ny lalitra,miriorio hoatra ny angidina
103.    Ny olona ambony mijery ny tenany,ny olona ambany mijery ny olona
104.    Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao ,no maha ianao anao.
105.    Izay mangina volamena
106.    Ny asa tsara dia tsy noho ny hery irery ihany fa noho ny fikirizana
107.    Fidio izay asa tianao ka toy ny tsy miasa ianao amin'ny androm-piainanao rehetra.
108.    Ny fanadinonao ny tarigetranao no vato misakana eo anolonao tsy ahatanterahanao azy.
109.    Aza mifaninana fa mamorona, jereo izay ataon'ny besinimaro ary aza atao.
110.    Arakaraky ny eritreretanao ny farim-piainanao no fandanianao vola.
111.    Tahaka ny kitoza ny fiainana , ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony .
112.    Maty manao soa izy ,mandefitra vao vaky loha
113.    Ny teny toy ny atody ka raha foy manana elatra
114.    Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
115.    Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny,tsy ahafaty ny zanany
116.    Matin'ny ebo kely ka ataon'ny alahelo mitakiky.
117.    Aza mandihy tsy afa-tavony.
118.    Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.
119.    Manjono lasa -mamba ka sam maka ny tiany.
120.    Ny fay sy ny tamana dia iray ihany.
121.    Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina.
122.    Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka .
123.    Ataovy vikin'alina ny fiainana , aleo manana amby toy izay tsy ampy .
124.    Velezo ny vy dieny mbola mafana.
125.    Ny hazo no vanon-ko lakana,ny tany naniriany no tsara.
126.    Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
127.    Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha.
128.    Aza be henatra imaso,fa be fosa ivoho .Henatra fa tsy hanatra.
129.    Aza be anatra imaso ,fa be fosa ivoho.
130.    Mpanelanelana sarotra toa tatamo
131.    Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
132.    Mangalatra an-tsena ka mihaiky ny ambanilanitra.
133.    Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny ,tsy mahay manantsiny.
134.    Vary vokatr'ibetsimitatatra ,ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
135.    Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
136.    Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
137.    Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
138.    Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha
139.    Aza be siasia toy ny amalona andrano.
140.    Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
141.    Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
142.    Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
143.    Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
144.    Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
145.    Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
146.    Ilatsahan'ny varatra am-pangerena, sady maty no mihoson-tay
147.    Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
148.    Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
149.    Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
250.    Ny halavoana tsy maha lehibe
151.    Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
152.    Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
153.    Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
154.    aza manao solafaka andro mitsidika


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 376897 visiteurs (999485 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement