=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1 . Mifosa tena toy ny mifosa vady
2 . Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
3 . Ny anambadian-kiadanana , ny iterahan-ko sambatra.
4 . Ny anambadian-kiterahana , ny iterahan-ko dimby.
5 . Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra .
6 . Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy , vao tsy ialàn-kasokasoka , tonta tsy ialàn-dromoromo .
7 . Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
8 . Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
9 . Maimay hivady ka dodona hisaraka.
10 . Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
11 . Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
12 . Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
13 . Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
14 . Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, "Tsy omby vilany", omena ny masaka, "sisa tsy lany"
15 . tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
16 . Fara-vady anadahy
17 . Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
18 . Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
19 . Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
20 . Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
21 . aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
22 . Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
23 . Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
24 . aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany no ho trany
25 . Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
26 . tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
27 . aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
28 . aleo adala tena toy izay adala renianaka
29 . aza mitsiriri-bady voky
30 . toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
31 . manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
32 . Ny tokantrano tsy ahahaka.
33 . Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
34 . Vadin-joky kilalaon-jandry
35 . ny anambadi-kiadanana
36 . Vady tiana k'aza vambaina
37 . Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
38 . Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao manaikitra ny tena.
39 . Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
40 . Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
41 . Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
42 . Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka ny azony
43 . Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.