FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  MAMPIERITRERITRA...
Ry havana,
 
Nanao fivoriambe niantsoana ny miaramilany sy ny anjeliny rehetra satana. ny fifanarahana nataon'izy ireo dia trangan-javatra nisy marina tokoa ka meteza hamaky sy handinika tsara ary aoka tsy ho voafandrika.
Tamin’ny kabary fanokafana dia hoy Satana tamin’ny ireo anjely mpiodina :

"Tsy azontsika sakanana tsy ho any am-piangonana intsony ny Kristiana"

"Tsy azontsika sakanana tsy hamaky Baiboly hamantatra ny fahamarinana izy ireo"

"Tsy ho azontsika atao intsony ny hisakana azy tsy hiroso amin’ny firaisana amin’ny Jesosy kristy"

"Koa raha tanteraka ny firaisany amin’ny Jesosy Kristy dia ho rava ny fahefantsika aminy"

"Avelao ihany izy hizotra amin’ny fiainana mahazatra azy, fa hangalarintsika kosa ny fotoana eo aminy mba hisakanana azy tsy hanam-piraisana intsony amin’ny Jesosy Kristy"

"Izany no ataovy sy tanteraho ry anjely mpiodina, ataovy izay hahatonga ny kristiana ho variana sy sondriana, ary sakano tsy hiantsampy amin’ny Mpamonjiny mba hampandamoka ny firaisany Aminy eo amin’ny fiainany andavan'andro"

Dia namaly ireo anjelin'i Satana ka nanao hoe : "amin’ny fomba ahoana no ahazoana manatanteraka izany?"
 
Dia hoy Satana :
 
1 - Hazony izy ireo (ny Kristiana) ho variana amin’ny zavatra tsy dia misy dikany loatra eo amin’ny fiainany ka mamorona zavatra hampifantoka ny saina aman'eritreriny;

2 - Tariho hanao fandaniana (dépenses) tsy an-kijanona mba hisambo-bola tsy ho afa-trosa mihitsy;

3 - Reseo lahatra mba hiasa mafy ny olona, tsy hanam-potoana intsony, ka samy hikarataka ny mpivady hanatrarany ny nofinofiny amin’ny rendrarendra ety ivelany.

4 - Sakano tsy hanam-potoana hiarahana sy hiresahana amin’ny zanany sy ny fianakaviany ny olona. Ny trano fonenany dia ho tonga toeram-piefenana ialàna amin’ny asa (toeram-patoriana fotsiny);

5 - Korontano ny sainy tsy handre intsony ny bitsiky ny Fanahy Masina. Ny vesatry ny harerahana eo aminy no tsimaintsy mahatonga azy ho mora tohina sy tezitra amin’ny zavatra tsy misy dikany indrindra .

6 - Ataovy izay hahatonga azy handefa tsy ankijanona ny radio, ny K7, ny CD, télé, ordinateur amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra (trano, fiara...) ka hahavariana azy amin’ny zavatra tsy misy antony.

7 - Ataovy mibahan-toerana eo amin’ny fiainany ny mozika sy ny hiran'izao tontolo izao, ka fenoy azy ny fiara, ny toeram-piavarotana ary ny toeram-pisakafoanana rehetra mba hanapaka ny fifandraisany amin’ny Jesosy Kristy sady hanadinoany ny tonon-kiram-panahy mba hahavery azy.

8 - Fenoy zava-mahatsikaiky sy doka-barotra mahavariana ny gazety sy ny làlana rehetra. Ny vaovaon'izao tontolo izao no ataovy mamenony fony mandritra ny 24 amin’ny 24 ora mba tsy hahenony intsony ny amin’ny Jesosy Kristy sy ny famonjeny.

9 - Ampitomboy ny filan'ny maso eo aminy mba hampifantoka azy amin’ny lamaody sy ny fitafiana tsy maotina, ho sodokan'ny endrika ety ivelany hamono miandalana ny fitiavana eo amin’ny mpivady hitarika amin’ny faharavan'ny tokantranony, hampitombo ny fijangajangana.

10 - Aza avela handinika ny hatsaran'ny zava-boaharin'Andriamanitra mihitsy izy fa hazony amin’ny fandaniana andro amin’ny fijerena sarimihetsika sy fampisehoana arahina mozika feno kotaba ary fanatanjahatena mba ho raiki-tampisaka ao an-tsainy sy tsy afaka am-bavany mandritra ny andro izany ka hanadinoany an'Andriamanitra.

11 - Hazony ho be raharaha hatrany hatrany izy ireo mba hitaraina lava ho tsy manam-potoana, tsy handinihina Soratra Masina intsony.

12 - Rehefa manao fihaonana handinika zavatra ara-panahy izy dia lanio fotoana amin’ny resabe mba hikorontan-tsaina ka tsy hahavita na inona na inona.

13 - Ny fikasana rehetra ao aminy dia ampidiro olana sy zavatra hafa tsy hahatanteraka ny fitokisany amin’ny Andriamanitra. Avelao izy hatoky tena ka hikaroka vahaolana samirery ka hanao sorona ny fahasalamany sy ny fianakaviany amin’ny tanjona tiany ho tratrarina.
 
"Ho hitanareo fa tsy maintsy ary tsy maintsy mahomby izany tetika izany...."
 
Dia lasa tokoa ireo anjely mpiodina hamita faingana ny iraka (mission) nifanarahany mba hisintonana ny Kristiana, hanan-draharaha (occupé) lalan-dava, mandeha tsy an-kijanona, maika sy dodona lava hatrany amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra hatrany am-Piangonana aza, ka tsy manam-potoana intsony hivavahana sy hiresahana amin’ny Andriamanitra, handinihina Soratra Masina, handinihin-tena.
 
NY FANONTANIANA DIA NY HOE : Nahatanteraka an'ireo iraka (mission) nampanaovina azy teo amin’ny fiainako tokoa ve ny Devoly ? Anjaran'ny tsirairay ny mandinin-tena ny amin’ny izany
 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 376677 visiteurs (999187 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement