FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  ADY
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1.      Ny mpiady tsy misy mpampionona , dia ho tonga any antaninarivo
2.      Ny ariary zato iombonany, ka kisoa iray no iadiana
3.      Ady tsy tratra, maha-rangahy
4.      Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny sisiny
5.      Mihinjihinjy toy ny adin’angely
6.      Miady hariva tsara maraina, miady maraina tsara hariva toy ny mpivady
7.      Ady volom-balala, ka izay tia azy no ditsoka
8.      Ady lova, ady fananana; fa ny fihavanana tsy azo hadinoina
9.      Lohalika sy laferana, izay miatraika no vasoka, izay mandefitra no mandina
10. Fo tezitra tsy ananan-drariny
11. Lolom-pon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
12. Tia ady ka lany harena
13. Mifankatia tsy mifamarafara, ady no iafarany
14. Toy ny adin’ny mpivady, ka ny tokoam-bary aza iadiana
15. Mitranga matetika hoatry ny fifandiran’ny mpivady (adin’ny mpivady)
16. Ny hohavanina tsy misy, fa ny iadiana no betsaka
17. Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra fa tsy salaka ho tapaka, tsy lamba ho rovitra
18. Ny fo, rano mafana, ny tendrom-po tsy mba namana
19. Nify sy ny molotra, izay mahery no afaka aloha
20. Adin’ombalahin’ny mpianakavy, ny mandresy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina
21. Aleo miady toy izay manao sesimonina irery any Ankaratra ( na mankany Ankaratra tsy misy olona)
22. Mpifakantia mifanaratsy, izay mahavita be no manenina
23. Teny malemy mahamora fihavanana
24. Tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina
25. Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany
26. Izay tsy miady olom-bodo, izay toro fo mpamosavy
27. Adin-tsikidin-drano, misaraka tsy misy maratra
28. Adin’akoho votrom-bato: ny resy torotoro, ny maharesy disadisaka
29. Ady amin’olotiana, alo maratrany toa izay maharatra azy
30. Tahaka ny jiafotsy, vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy ilaoza-dromoromo.
31. Teny imaso tsy mba kilema
32. Ady tsy ahi-mahatratra
33. Hiady ve ka hifamahan-tantely
34. Toy ny adin-kisoa ka vitan’Anjonanjona ihany
35. Aza manao ady atsanga
36. Ny ady tsy tra-mahavery vava
37. Mahasalasala hoatry ny adin’ondrilahy, akorain-tsy mifampilanja, avela ihany mifamaky loha.
38. Aza atao verin’adin-dreni-omby ny adin’ombalahy ( midika hoe aleo mijery adin’ombalahy toa izay adin’ombivavy)
39. Lany hatoka toy ny akoholahy maty an’ady
40. Ady misy hena ka izay mamoy no liana
41. Aza manao ady amparimbona
42. Atody tsy miady amam-bato
43. Tsy miady sahala, ka hiady hisy resy
44. Hendry miady amin’adala ka havizanana no hita
45. Vava soa sakafo , vava ratsy adidy
46. Aoka atao resaka, fa mandany fananana raha atao ady
47. Hala-boatavo no niadiana , ka tendry mosavy no hita
48. Mitsako tsy re ka kenda vao domy aho ranaotra
 


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 375678 visiteurs (997775 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement