FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  SAMIHAFA
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.

Isaorana manokana ny mpanome ireto ohabolana ireto dia i Feno sy Andy ao amin'ny Sehatry ny ankizy

1.     Aza kely faka kitay ka be bahana

2.     Aleo maty olo-malaina , toy izay vaky vilany an’efitra
3.     Manantena ny efa azo angaha, no tsy mandray ravin-dena?
4.     Toetran’ilay malaina: asaina miasa lohataona, milaza fa vaky lafika. Asaina manosy fahavaratra, milaza mararin’ny tazo. Avela ao an-tanana: midonendrina tsy maha-masa-kanina
5.     Atoandro faka ronono ilaiaka, ka nilaozan’ny omby nihahaka
6.     Ny kamo ihany no sasatra
7.     Raha vazo mitovy ihany, aleo tsy mita rano
8.     Teny arivo, zato kabary : faran’ny teny ifanatrehana
9.     Amalona tsy azo hoatry ny fe, bonga tsy hita hoatry ny loza
10. Ratsy tokoa ny lainga fa ny mpandainga aza tsy tia azy
11. Toy ny parakin’Andriatany, misy ihany fa ampandozaina
12. Angolangolako eo imasonao, fa raha takona anao aho mijaly
13. Aza ny atsanga tsy aman’orana no alahatra
14. Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toa izay mifanena amin’ny mpandainga
15. Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po fa tsy mahavita taona
16. Ny lainga donga takona ka mahia mifanatrika
17. Ny lainga toy ny fasika, mora ama-mandry, fa sarotra ama-mifoha
18. Ny lainga toy ny nify lanin’ny olitra, ka sarotra esorina no tsy mahasoa ny tena
19. Manatsafa mahita, toy ny mpaka afo
20. Omena mody voky nefa mangalam-pihinana ihany
21. Toy ny zozoro, mahitsy ihany fa telo rirana
22. Madera raviny fa poa-tahony
23. Lasan-ko raviny ka tsy misy voany
24. Madio manatrika, vazo miamboho toa ravitsara
25. Ny anarana mampody mandry fa ny terehy mampitampody
26. Aza manao toy ny sotrobe lava tango , mahay atsy mahay aroa
27. Manao toy ny harefo, mahitsy ivelany fa milefitra ankibony
28. Aza lasan-ko raviny: raviny ihany fa tsy misy voany
29. Aza manolo-bato mafana
30. Aza milevin-ko fondrana rehefa mivelatra ho ravina
31. Aza madio fitafiana, ka mitsindroka am-pihinanana hoatry ny vorompotsy
32. Aza mihaingo ambonin’ny tsikoko
33. Aza manao siaka mampandry adrisa
34. Aza manao toy ny voavahy, tsy mahajoro tena fa misarangotra amin’ny sasany
35. Aza manao fy ny voalavo, fy ny trandraka
36. aza manao bolokilahy homam-boatseva, fy ny atsy fy ny aroa
37. Aza manao tantanandroa lela
38. Aza manao longoa mitoto bozaka
39. Aza mody torana rehefa te-hihinana ny kitozan’ny marary
40. Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho
41. Aza miovaova, anio ondry bodo, rahampitso ho mena loha
42. Madio imaso toy ny tandrok’ondry
43. Nomem-bava tsy ratsy ka ao an-trano no asian-dratsy
44. Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa miletra ny masiso be herinandro
45. Aza manao olon-kendry raha jerena : tantely fiandry andriana, nefa nony dinihina : fanambom-bary fiandry alika
46. Aza manao toy ny voara (votry) : jerena ivelany toa mandina, rehefa verahina fonenam-bitsika
47. Aleo manda tsy handeha, toy izay manaiky tsy ho lasa
48. Fanirim-bomanga, vao kely dia miolaka
49. Aza manao “tsy miady tsy miady , nefa ny kobay ankelika ihany”
50. Faran’ny omby hena, faran’ny teny ifanatrehana
51. Ny lela efa tama-mitsilany tsy azo ahohoka intsony
52. Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga
53. Ny lainga mampisolantsolana andro ilazana , fa mampivalomainty andro ifanatrehana
54. Aza manolo-bato mafana
55. Alaviro ny joko tsoriaka mahasambo-kary
56. Aza madio fitafiana fa mitsindroka am-pihinanana toa vorompotsy
57. Aza manao zatovon’ny any sady zazalahin’ny aty
58. Aza tsara vava ririnina toy ny mpamboly voalobok’Ambohidratrimo
59. Aza manao kobaka ambava sy volana antenda, ka hatreo no miakatra ihany
60. Aza misomidika ambony toa menaka: fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
61. Aoka tsy hanome toky ankamorana; nefa hanary ankasarotana
62. Aty milelaka lelafo, any mamaky ampinga
63. Longo (namana) manambaka lefona
64. Aza manao takorobabon’akoho, ny iray fisiam-bary, ny iray fisian’akotry
65. Ny iray tambatambazan-kambakaina; ny iray mody tsy tia-kolalaina
66. Mivadika imaso toa tandrok’osy
67. Omaly ianao misolanga ho tandrony, ary anio ianao misafelika ho sofiny
68. Toy ny rano antanim-bato, tsinjovina manelatra ihany , fa nony tovozina tsy ahazahoana
69. Ny alika aza tsy azo fitahina, maika ny olona!!
70. Ny teny marina hoatry ny fia-pary lava vany, na lava aza tsy lany hamamiana
71. Arivo tatatra, zato renirano, fa ny faran’ny rano anie ho Ikopa ihany
72. Raofy toy ny lainga, fa raha feno azy raraka
73. Lainga marivo tototra, fehezin’ny akoho tokan’anaka
74. Tongo-dava tsy ahitan-kanina
75. Be faniry nefa kely fila, ny vary aloha tsy ataon’ny kamo
76. Ny manao no tsy ambinina hono : ampisambory fa Havana ory, fa raha miraviravy Tanana tsy miasa : aleo mivarina an-kady
77. Ny zoto ahandroana, ny lainga itonoana
78. Raha maharary aza ny Tanana, jereo aloha ny kibo tsy misy hanina
79. Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
80. Aza manantena taintsokina ka tsy mety mihaza
81. Manantena lambo miakatra ve ka tsy mety midina an’ala?
 


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 376702 visiteurs (999219 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement