FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  AFO
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1.      Ny mpanjaka toy ny afo, raha alavirina mangatsiaka, raha atonina mahamay
2.      Manaram-po fahazaza ka misoron’afo volofotsy
3.      Afo lavitra tsy azo amindroana
4.      Afo ririnina, ilefàna mangatsiaka, atonina mahamay
5.      Nahoana no ho mpanefy ka matahotra afo!!
6.      Aza mila voatsiary, toy ny maka afo amin’ny maty
7.      Raha miroborobo ny afo, miara-mamindro izy rehetra, fa ny tompon-trano ihany no manila ny lanenona.
8.      Soron’afon’adala, ny aloha tsy levona, ny aoriana asisika ihany
9.      Aza misisika ho may toy ny fisoitr’afo
10. Tsy mba afo handoro fa ho masoandro fe hanahazana
11. Afo aman-drano, sady sakaiza no fahavalo
12. Afo tsy mandika bozaka (na bokarefo)
13. Andro hamaizan’ny trano dia manao afo am-bilany kely, fa ny ampitso manao afom-borodamba
14. Main’ny afo natsangany
15. Aza atao toy ny afo-mololo, ka indray miredaka dia izay
16. Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
17. Aza manao afon’analakely ka ambony vao midonaka
18. Miangatra kosa ny velona raha ny maty no anateran’afo
19. Ivahiny ankava-malahelo, ka soron’afo no hita
20. Maty mangina toa otrikafo
21. Tongotry ny afo , ny rivotra, vavan’ny adala ny hendry
22. Izay iray donak’afo, iray dinidinika
23. Mitono manao matamata, mahandro manao lozodozotra; ny atao ihany ity no nankarary am-bavafo.
24. Efa ho lava toy ny afon’Atongona
25. Mantsafa mahita, toy ny mpaka afo
26. Maka kitay manana ankizy, misorona afo mananjiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava
27. Afo lavitra tsy azo amindroana
 


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 376971 visiteurs (999610 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement