FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  AINA
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1.      Ny aina tsy mifametra
2.      Voalavo mifanena an-ketona ka samy miaro ny ainy
3.      Taon-jezika an-kady ka aina no fetra
4.      Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina
5.      Ny aina aloka aman-javona mihelina dia lasa
6.      Ny arivo lahy tsy maty indray andro
7.      Ny tany vadiben-janahary, mihary ny velona, manotrona ny maty
8.      Mahery tsy maody tsy ela velona
9.      Manao vy very ny ainy
10. Mamy ny miaina
11. Ny aina aloka aman-javona
12. Ny aina tsy afaky ny tompony
13. Ny aina fofonahandro, raha sokafana dia lasa
14. Ny aina hiala, tsy menamaso
15. Ranomaso tsy mahatana aina
16. Ny aina toy ny fanjozoro, izay mahapandopando no manana ny mateza
17. Ny aina toy ny Tavim-bilany, tsy fantatra izay hahavakiany , na andro na ho alina
 


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 375655 visiteurs (997742 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement