FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  FANAMBADIANA
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1     . Mifosa tena toy ny mifosa vady
2     . Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
3     . Ny anambadian-kiadanana , ny iterahan-ko sambatra.
4     . Ny anambadian-kiterahana , ny iterahan-ko dimby.
5     . Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra .
6     . Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy , vao tsy ialàn-kasokasoka , tonta tsy ialàn-dromoromo .
7     . Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
8     . Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
9     . Maimay hivady ka dodona hisaraka.
10 . Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
11 . Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
12 . Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
13 . Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
14 . Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, "Tsy omby vilany", omena ny masaka, "sisa tsy lany"
15 . tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
16 . Fara-vady anadahy
17 . Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
18 . Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
19 . Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
20 . Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
21 . aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
22 . Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
23 . Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
24 . aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany no ho trany
25 . Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
26 . tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
27 . aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
28 . aleo adala tena toy izay adala renianaka
29 . aza mitsiriri-bady voky
30 . toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
31 . manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
32 . Ny tokantrano tsy ahahaka.
33 . Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
34 . Vadin-joky kilalaon-jandry
35 . ny anambadi-kiadanana
36 . Vady tiana k'aza vambaina
37 . Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
38 . Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao manaikitra ny tena.
39 . Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
40 . Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
41 . Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
42 . Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka ny azony
43 . Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny. 
 
 


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 376954 visiteurs (999583 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement