FIFANDRAISANA MIVANTANA AMIKO : Facebook : Thierry Sylvain RAZAFIMANDIMBY (Thierotsy)
   
 
  FITIAVANA
=> Raha te hifandray an-tsoratra amiko ianao dia azonao atao tsara ny mandefa mailaka amin'io adiresy eo ambony io.
1.       Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra.
2.       Aza mitsipadoha laka nitana
3.       Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana , very tsy mampamoifo , hita tsy mahafaly .
4.       Aza atao fitia ranontrambo be fiavy fa mora ritra .
5.       misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola .
6.       Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
7.       Ny fitiavana toy sorajandiana ka samy mifidy izay tiana.
8.       Izay tiana mitombo tarehy.
9.       Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
10.   Milaza hoe tsy tia, tsy tia ; kanefa tsy manidy trano.
11.   Raha maty aho matesa rahavako
12.   Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
13.   Aza manao fihavanan-karena ka tomany handratra ny sasany.
14.   Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
15.   Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vangy
16.   Izay iray vatsy iray aina.
17.   Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
18.   Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
19.   Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
20.   Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadijafy intsony.
21.   Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitapi-maso hahazo ozona be.
22.   Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.
23.   Tsy misy fitia fito taona , fa ny sisan'izay fihavanana .
24.   Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana , an-koditra vao mahangoly .
25.   Aza atao toy ny fitia varavarana, ka tiana ihany fa atositosika
26.   tsa misy fo mahafoy  vady hoe, fa ny maso no te hanan-droa.
27.   Sora-damba an-tsena ny fitiavana , ka samy mifidy ny tiany .
28.   Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
29.   Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana.
30.   Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
31.   fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
32.   Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry
33.   tiambady ka mahay miresaka
34.   Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty
35.   aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.
36.   Aza manao fitia paraky, ka hatreo ambava no ho miakatra ihany.
37.   Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
38.   Mifankatia amin'amalona,: ka nony sendra tia, nabolilany
39.   Mody tsy tia, koa lefaka
40.   Tia ihany ka be malo
41.   Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?
42.   Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo no miarahaba.
43.   Ny fitia toy ny ketsa, afindra vao miroborobo
44.   Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
45.   ny fitiavana tahaka ny afo : raha lalaovina mandoro, raha koloina maha-masa-bary"
46.   fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
47.   lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
48.   Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna
49.   ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
50.   Aza atao fitia telefônina ka raha tsy maneno tsy tsaroana
51.   Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androantokom-pitiavana.
52.   mifankatia tsy mifamarafara : ady no farany
53.   Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
54.   ny fitiavana iray afaka mizara ho an'olona maro fa ny fitiavana ny iray tsy azo zaraina ho an'olona roa
55.   Tsy mahavaly fitia toa zaza
56.   Ikalamomba tsy tiandahy ka maty vao Ramalala
57.   Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
58.   Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina ( hitsakitsahina)
59.   fitia savony, tiana fa avalana rano.
60.   Fitia kiraro, tiana ihany fa itsakitsahina
61.   Aza atao fitia siligaoma, lany ny mamy dia ariana
62.   Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
63.   Saro-tiavina toa landy mohaka
64.   Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
65.   Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika
66.   Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra; halavirina, manatona
67.   Aza manao fitia mifono avona
68.   Fitia lamban'akoho , aina no fetra
69.   tsy tia tsy tia nefa tsy manidy trano
70.   tsy tia maro toa mpamosavy
71.   Ataovy fitian-dranon'erika: madinipihavy fa mahatondra-drano
72.   Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo miarahaba ihany
73.   mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
74.   Hazo sy vorona, izay manina no manatona
75.   Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny màito tohizana .
76.   Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro.


 
Le propriétaire de cette page Web n'a pas activé l'extra "Liste top"!
Ny Ohabolana :
 
Avy amin'i Wikipedia :

Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alàlan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana.
Ohabolana ato na tranonkala hafa :
 
Mba tsy ho sahirana ianao dia azonao atao ny mitady tranonkala hafa eto, na mitady ny misy izay ohabolana ilainao ato
(google no ampiasain'ity)
 
 
Déjà 376665 visiteurs (999171 hits) aujourd'hui
Powered by
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement